mandalo - masofahatelo
Azo vakiana?
mandalo
ny fiainana fantatry ny olona
dia ny hitan'ny masony ihany
hany ka tsy mety mionona
satria maro ny tsy hita @ izany
Mitady ny lafatra foana
Nefa ny jaly tsy hitsahatr’indrisy
Mifaly mitsiky misaona
Lavitry ny paradisas.
Varian’@fiaina-mandalo
Ka tsy fantar’intsony ny hoavy
Androany ianao revo mikalo
Fa rahampitso dia manavinavy!
Maro ny mahafinaritra,
Ny soa sy ny kanto tsy ho lany
Fa moa ve ireny haharitra
Sa mandalo toa orana ihany ?
Mombamomba
Mpanoratra : masofahatelo
Nampiditra : masofahateloDaty : 03/01/2008
Mpamangy : 1256
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
raha toafivoarana
avia!
sompatra
ny saina
ny fiainako
ra-vola
sarotra ny mifidy
raoviana