ra-vola (masofahatelo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
reo tsy manana mbola mitady
mitsiriritra ny mpanampitrisa
reto mpanana toa velon'ady
lavitry ny paradisa.

mia-ratsy foana ny sainy,;
mia-maloto koa ny fanahiny
satria maro no mifofo ny ainy
nohon'ny vola maro ambalahany...

misy koa ireo mpimamo an-tatatra
tsy manana henatra intsony
isanandro miasa indrisy sasatra...
fa ny rendrarendra ihany no ao ampony.

ny mangalatra; ao ny mpandroba
fitadiavana daholo izany
reo mpiantsoantso varo-boba
ny antony nefa dia vola, vola ihany.

ireo vehivavy mpivaro-tena
mihari-tory lava izao
ireo mahantra; mpatory an-tsena
tsy noho iza fa noho ianao!

taolampaty hangalarina
tsy iraharahiana fomban-tany,
ireo mpihira sy ny feony farina;
dia i vola; vola hatrany.

tiavo izy fa asivo fetra;
ny manodidina mba hanaro;
fa noho izy ireny ny herisetra;
ny voka-dratsiny mba fantaro!
Masofahatelo
--------
Rohy:
1545 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : masofahatelo
Nampiditra : masofahatelo
Daty : 10/01/2008 14:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097