raoviana (masofahatelo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raovina ?

Fo mangorakoraka...
Molotra makiana...
Sandry te-hiantoraka
Miandrandra anao ry tiana.


Embon-tsasak'alina...
Tsiaro mampanavy...
Adin-tsaina lalina
Miandrandra anao ho avy.

Fo mamelovelo...
Endrika tomany...
Fitia tsiambaratelo
Miandrandra teny mamy.

Maika te-hiantsoroka
Ny adadiko rahavako!...
No maika koa hanoroka
Ny molotrao FITIAVAKO.

Rahovina ihany lahy
Satria fitia vaovao
Fa mila hanafotra ahy
NY ALAHELO ANAO.

masofahatelo!
--------
Rohy:
1458 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : masofahatelo
Nampiditra : masofahatelo
Daty : 14/01/2008 12:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099