fivoarana - masofahatelo
Azo vakiana?
Fivoarana
Mbola maro ireo tanora
Izay revo @ hadaläna
Ny fivoarana isan’ora
Na an-tsahy na an-tanäna
Eny fa ana ireo efa zokiny aza
Dia mbola ireny f a manjohy;
Manara-jambena mitovy ny zaza
Toa ratsy, toaz tsara, avela tsy foy!
Ritafy mivoatra, maro no haitraitra
Ny vehivavy indrindra no mpanao ireny;
Rha hoan’ny foläna izy tsara sy raitra;
Fa rah fanahy kosa; aloe tsy miteny.
Ny fovoarana misy iaraha-mitazana
Ilaian ihany nefa ny amamakafaka…
Ny hafa manao dia izao ve hitazana,
Ny mpanara-dreniranao no tompon’ny laka!?!
Misy heviny daholo ny rehetra mivoka,
Ny fitafy, fiteny, ny sary; ny zipo ny fomba fiteny…
Ka rah zavatra ratsy ezaho ny mitsoaka
Izy ireny mantsy mitovy ny areti-mifindra!
Tsy misy maharatsy ny fanarahan-damaody,
Fa ilaina ny fahaizana mandanjalanja;
Sa ty ireny mpangalatra to kaodikaody
Tsy aleko ihany ve mifidy ny gasy ka manja!!
Masofahatelo!
Mombamomba
Mpanoratra : masofahatelo
Nampiditra : masofahateloDaty : 30/01/2008
Mpamangy : 1762
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
raha toaavia!
sompatra
ny saina
ny fiainako
ra-vola
mandalo
sarotra ny mifidy
raoviana