Angamba izao no ora (Mbola tsy fantatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba izao no ora
Itafàko moramora
Aminao ry Sombinaiko
Fa tsy haiko
Ny hangina
Ato anaty fihafiana

Tiako ianao eny tiako
Ary tena fifaliako
Ny mitoetra anilanao
Hatramin' izay ka hatramin' izao

Ny endrika sy bika
Zay sary indray mipika
Anananao, nampitoetra
Fitia tsy nisy fetra
Tato anatiko
Ka satriko
Haharitra tokoa
Ny tsara sy ny soa
Izay niarahantsika
Tsy hisy hitomika

Saingy,
Ankehitriny kosa,
Lainga,
Indrisy niavosa
No nameno ny tantara
Indro ratsy fiafara

Niafina ny marina
Ny fitiavana nivarina
Nitombo ny ahiahy
Ny fitaka nahahy
Niova ilay fitia
Nilokanao ho doria

Hay rafy vaovao
No nanokananao
Ny andro; ny fotoana
Sy ny ora manoloana
Zaho zary moana
Tsy hita hoe ahoana?

Angamba izao no ora
Farany handaniako rora
Aminao ry Sombinaiko
Nolalaiko...nolalaiko

Itenenako sahady
Tsy amin' ady azafady
F'amin' ny fo tena tony
Ny TSY TIA ANAO INTSONY
ilay foko d' efa reraka
Kivy, ana sady ketraka

Tiako ianao, eny tiako
Nefa hanjary fijaliako
Ny hitoetra anilanao
Raha izao no fombanao
Omeko anao ny tso-drano
Aza arian, raiso, tano
Mahaleova, mahalasàna
Mahità ny hazavàna
Aoka izaho sy ny amiko
S' izay rehetra ato anatiko
Ho anjarako ihany
F' any inadray andro any
Mbola ho avy ny maraina
Andrandraiko hitondra aina
Hafanàna, hery vao
Tsy hatsiarovako anao
--------
Rohy:
170 3
Hevitra mandeha
hery ( 10/01/2004 12:14)
Raha tena tiana ve dia hariana?
Misy fotoana handalovana olana kanefa tsy midika izany fa tokony hisy hatrany ny fisarahana.
Tiako be ity tononkalonao ity...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mbola tsy fantatra
Nampiditra : doloran
Daty : 09/01/2004 10:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145