Mafy (Mbola tsy fantatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mafy,
mafy rehefa tia
eny,mafy hoy aho satria
na ny fo na ny saina,
tsy mitsaha-mitaraina
ny mitady ilay lalaina
izay tiana sy antenaina,
eny, na vahotra ny tena,
ka mihaotra ny saina
ny fo tsy te hahalala
fa mikiry hatrany hatrany
ny hitady ilay malala
na dia tsy tiany aza,
fa miezaka ihany
dia miezaka hatrany
na dia fotsiny aza hoe
hahatazana ihany
ilay salovan-tavany any,
sy zay mety ho fomba fiainany,
ka te hanampy raha tomany
te ho faly raha sariaka
te hahafantatra hatrany
na ny hita na ny tsy hita
satria......TENA TIA
--------
Rohy:
Sokajy : embona
280 0
Hevitra mandeha
ombre ( 12/12/2006 16:24)
Misaotra e, satria tena tia ,tsara be.
mimisou ( 13/12/2006 10:20)
tsara be ilay tononkalo misaotra e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mbola tsy fantatra
Nampiditra : sergent
Daty : 12/12/2006 12:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139