FIAINANA AN-TANYNy fiai (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIAINANA AN-TANY

Ny fiainantsika eto an-tany
Dia tena feno fahalovana
Toa tsy nahitana mamy
Fa mangidy foana hatrany

Fiainana tsy ilaozan-tsento
Tsy misaraka amin-dranomaso
Tsy mba misy fitoniana
Hany ka miteraka hakiviana

Tsy mampilamin-tsaina
Fa mila haningotr'aina
Izay ilay fianana eto an-tany
Mampirotsaka tomany

Mino anefa aho fa indray andro any
Mbola hisava ny aizina manarona ny tany
Hisolo masoandro hitondra tara-pahazavana
Hizara hafaliana tsy hanam-piafarana

Hajanirina Mahavaly (24/08/18 à 09:00)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
632 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 24/10/2019 07:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101