Na mandalo sedra mafy aza - Hajanirina Mahavaly
Azo vakiana?
Na mandalo sedra mafy aza aho
Tompo ô! tsy hivadika aminao
Na maro aza ireo fitsapana mamay
Nataonao izany mba hahasoa anay
Fahoriana,fijaliana maro nifanesy
Nandreraka ny fo ka efa mila ho resy
Soa fa teo Ianao Jesoa nampahery
Nampitraka sy nanakatona ny fery
Ny famindram-po sy ny fahasoavanao
Matoa aho mbola miaina toy izao
Ny fitantananao mendrika ho deraina
Na hariva , na atoandro, na maraina
Misaotra Tompo amin'ny zavatra rehetra
Ny fitiavana natolotrao, fitia tsy manam-petra
Asandratro Avo ny anarana sy voninahitrao
Ho fiderako Anao ho ren'izao tontolo izao
Hajanirina Mahavaly (27/11/2020 à 10:00)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly

Nampiditra : MHJB
Daty : 27/11/2020
Mpamangy : 200
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ora vitsy sisa no isainaTonga indray re ny Noely
FISAORANAMisaotra anao
Mitonia ianao ry fokoNa
Adinoy ny lasa ratsinaoS
MIVERENA
FETIN'NY MPIFANKATIA
Ry havako, nahoana isika
Isaoranay ianao ry RayNo
HAFATRA