Aleo ... toy izay... (Mi'andry Berantoson)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleo.... Toy izay...

Aleo tsara amin'ny faharatsiana
Toy izay ratsy amin'ny fahatsarana
Aleo miezaka mampiseho hafaliana
Toy izay moto-dava tena higagàna

Aleo mianatra mba ahazo fahalalana
Toy izay vendrana mora ambakaina,
Aleo olom-banona manara-dalàna
Toy izay olona tsy mahay miaina

Aleo tso-piaina mahita fahasambarana
Toy izay be harena nefa feno adin-tsaina
Aleo miasa mafy mivelona amin'izay nisasarana
toy izay mangalatra mampiferotr'aina

Aleo maontina mampiseho ny fahatsaràna
Toy izay be lamaody tsy hay izay ilazana azy
Aleo manoratra tononkalo maneho fahafahana
Toy izay mitogaigy hoatry ny olona voasazy!
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/miandry-berantoson/aleo-...-toy-izay
965 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mi'andry Berantoson
Nampiditra : tmjjah
Daty : 14/02/2015 04:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.499