TIA (Mi'andry Berantoson)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleoko mitia anao mangiana
Satria fantatro fa tsy ho ahy ianao
Aleo hadaboko any koa lay faniriana
Dia hitodika hijery zava-baovao....

Mafy izany tia nefa tsy rarahiana
Zao angamba lay hoe izay tia adala!
Nofy sisa ka entiko mangiana
ny Hitia anao, dia ianao ilay malala....

Sarotra ho ahy ny hanadino lay endrika
Kanto sy feno tsiky raha iny mba nitodika
miampy ilay fitafy maontina sy mendrika
Ampy ahatsiarovako anao, sovenira sisa

Teny tsotra hamaranako azy angamba dia ity:
Ho tsaroako foana ianao ary tsy ho hadinoiko
Eny , raha ho avy ilay andro tsy ahitanao ahy ety!
Dia ity no tononkalo ho anao ry tsy foiko....
--------
Rohy:
1394 1
Mpakafy: tmjjah
Hevitra mandeha
tmjjah ( 09/04/2015 16:06)
Marina loatra ilay izy e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143