Tsy manadino (Mi'andry Berantoson)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba tsy ho vitako ny hanadino
Ilay finamanana mamy sy tena tsara
Tiako loatra mantsy ka sarotra hadino
Ilay hakanto ho tsaroana hatrany hafara

Any indray andro tsy maintsy hifandao
hisara-toerana raha ny marina kokoa
ka tononkalo sisa apetrako aminao
Fa ireny tsara ho raketiko ao am-po

mbola tsy afaka ao an-tsaiko hatrizay
Ilay teny iray nanintona sy nambabo fo
Eny, ireny teny mahafinaritra no nampiray
ka nanjary lasa mpinamana tsy nifankafoy

Tiako ianao satria tena namana
Namana tena akaiky ahy hatrany
faniriako tsy hifandao na ory na manana
Eny hifampahery raha mbola eto an-tany.
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/miandry-berantoson/tsy-manadino
2056 1
Hevitra mandeha
tmjjah ( 09/04/2015 18:04)
met ian!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mi'andry Berantoson
Nampiditra : tmjjah
Daty : 14/02/2015 04:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.3033