Tsy nofy fa..... (Mi'andry Berantoson)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nofy fa.....

Mbola ho avy ny maraina
Izay efa ela nandrandraina
Tsy mampaninona izay fandatsana
na koa fanambaniana sy fankahalana

Ho reraka foana izay hanakiana
Na tsy mety aza dia aleo mangiana
Fa tsy ahatonga aiza akory ny adiady
Saingy ireny no fambara ny hoavy....

Androany ianao mety hanao eson-teny
Saingy ny fiainako mihatsara ombieny
Adalana ho an'izay hanaratsy ny namany
Saingy izany koa tsy ahatonga aiza ny taranany!!
--------
Rohy:
1393 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099