You are here: home > Vetso

Tsy hay intsony - Mi'andry Berantoson

Azo vakiana?

Tsy haiko intsony

aleo aho hangina tsy hiteny intsony
satria fantatro fa efa lavitra ahy ny fony
Nanadino ireo teny sy toky maro be
ekeko rehefa izay aminy no zava-dehibe

Tsy haiko intsony izay mahazo azy
tena matotra ity fa tsy hoe vazivazy
Na ny fomba famaly aza lasa hafahafa
ilay fahazotoany taloha lasa zara raha mitafa

Tsy haiko aloha izay olany any ho any
fa na izaho miresaka aza toa tsy hahoany izany
Niova mihitsy izy nandritry ny andro vitsivitsy izay
izy ity ange tsy kilalao ka azo asiana "replay"!

Sokajy : Ahiahy, Fitiavana