mbola lavitra (Mi'andry Berantoson)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY lalana mbola diaviko

Mbola lavitra ny lalana ombàna
Sarotra ny hamaritra ilay tanjona
Handalovan'ady mantsy mazàna
Mbola betsaka ny zavatra mitazona

Ny faniriako?

Tsy haiko aloha hatreto na ho tody na ho tsia
Fa mandreraka ny saina ny mandinika izany
Fiainana moa tsy hita fa hiaretana izy ity
Mino aho fa mbola ho tanteraka izy indray andro any

Dia ahoana izany?

Miaritra e, mizaka ny onjam-piainana
Mila manantena hatrany mba ho tafita
Fianarana aloha no tsy maitnsy atao ampisainana
Avy eo ho hita eo ihany ny atao rehefa vita...

Ankoatra izany ary?

Inona moa izany fa dia efa izay !
Ny hoavy no aleo hanambara azy
Ny Tompo no efa nitantana ahy hatrizay
ka Azy koa ny fandaharana fa izaho dia miandry....
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - fiainana
1182 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121