Ilay noheverina ho namana (Mi'andry Berantoson)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay noheverina ho namana

olona iray nandrian'ny fo sy saina
no hany tokana mba nantenaina
mba hanome fifaliana sy fitiavana
nandrandraina mba hampihavana

raha ny zava-misy no hasian-teny
dia nahafinaritr ireny fiarahana ireny
saingy niova tamin'ny fotoana farany
indrisy fa nifarana teo ny tantarany

ninia nanadino ve sa hodian-tsy tsaroana
ireny fanaovana hafatra* rehefa misy fotoana
ireo toky sy teny mba nambabo ny fo
sovenira sisa, fahatsiarovana tokoa

nomena ny enti-mody hampiasana ny loha
nomena ny teny, ho raketina ao am-po
nomena ny fo , hizarana ny fitia
nomena ny fitia, natao ho doria

saingy tsy izany anefa ny zava-niseho
fa ny avona no setriny ilay teo
raha mba niezaka ny ho tsara taminy
ankehitriny nefa toa lasa filaham-baniny

nangina tanteraka tsy tsaroana intsony
nangina satria tsy ilay nieritreretin'ny fony
fa nahoana? izay angamba no lahatra
Eny miaiky fa misy ny mpandahatra!!

any andro iray hatsiarovanao ahy
mety kisendrasendra no hihaonana amin'izay
na ny anarana aza angamba mety hadino
amin'izay ianao mety hiteny hoe tsy nampino!!!!!!

tsy hitako intsony izay azo ambara
any fotoana iray any hafara
mino aho fa hihaona isika
finoana izay fa tsy hoe be tatasika


*hafatra= sms
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Alahelo - fiainana - Fitiavana
2376 1
Hevitra mandeha
ihafatra ( 11/04/2015 19:44)
fa ny namana omaly
nampitsiky,nampifaly
fa ny anio dia tsinjonao
nisolo sento sy jaly,

dia ny ampitso,handrandraina
ranomaso sy taraina,
fa ny lasa tsy ho voafafa,
ireo oran'ireo tafa,

ilay noheverina ho namana,
indrisy namotsitra ny tanana,,,

IHAFATRA
tmjjah ( 14/04/2015 11:51)
ok
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mi'andry Berantoson
Nampiditra : tmjjah
Daty : 10/04/2015 17:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106