You are here: home > Vetso

raha mbola mis... - Mikanto

Azo vakiana?

           RAHA MBOLA MISY...
Raha mbola misy fo mitempo,
Raha mbola misy fofon'aina,
Diatsy maintsy velon-tsento,
Sy tsy maintsy mitaraina,...

Raha mbola misy feo miteny,
Raha mbola koa fanahy,
Dia tsy maintsy kivy ombieny,
Sy mbola manana ahiahy,

Raha mbola hoe mamindra ,
Raha mbola hoe mandray,
Dia manaraka ny rindra,
Ilay onjam-piainana indray,

Fa raha mbola misy koa ny farany,
Ka kivy mafy izato ianao,
N'inoninona ho sarany,
Tsy ho foana ny fanantenanao

MIKANTO
01/02/14

Sokajy : Fampaherezana

Hametraka hevitra

Midira aloha