Angamba hoy aho (mpandalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba mbola misy ihany,
Embona sy ventso izay tavela
Tsy voatototry ny tany.

Angamba ianao mbola mahatsiaro
Ilay natosikao fahiny,
Sa manahy ho tsisy mpiaro.

Angamba tsisy fetrany sy tsy hita lany
Ny toky izay nomeny,
Ka mahatonga anao te hiverina ho any.

Angamba ianao nanenina ny lasa
Ka tsy efanao akory
Ny hanadino ny efa vita, hanova izay kinasa.

Angamba tsy henonao akory
Ny feoko nampahery
Fa nihodina ianao nilaozanao natory.

Angamba tsisy lanjany mihoatra ny taloha,
Ireo fankaherezana
Natobako niavosa sy nataoko tamin'ny fo.

Angamba? . . . . Angamba hoy aho.
--------
Rohy:
1735 0
Hevitra mandeha
pissoa ( 13/09/2009 15:58)
Samy tiako be ito sy ilay hoe "Fa nahoana ... ?"

Miandry ny tohiny.
tsial ( 14/09/2009 11:09)
Misaotra an'i pissoa nankafy

Ho avy tsy hoela ny tohiny
fahamarinana ( 15/09/2009 13:57)
tsial :izay vao mazava ilay voalaza atsy ambadika !Tsara be ilay Aingam-panahy !Be fanantenana be sy be fampiononana koa !Misaotra nizara e !
Faha
rhina ( 20/09/2009 09:50)
mankasitra fa tsara ny aingam-panahy e!
rojosalohy ( 06/10/2009 08:52)
Raitra ny tononkalonao, lalina ny heviny saingy mora azo hiantsapazana! tsy mivantana saingy ampy miantoraka anaty. Mirary soa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mpandalo
Nampiditra : tsial
Daty : 13/09/2009 15:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099