Mifalia! (mpandalo)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekena,
Fa ny hetraketraky ny tany
No anton'izany;
Saingy,
Tsy ianao irery akory
No mahatsiaro ho tena ory.
Zovy,
Ary firifiry akory
Ireo izay tsy mahita tory?
Angamba,
Raha alahatra!
Tafakatra eny Ankaratra.
Mifalia!
Fa sambatra ianao,
Mbola eto hatramin'izao.
Dia mitsikia!
Dia miravoa sy mifalia,
Satria,
Atolotro ho anao ity tononkalo ity.
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/mpandalo/mifalia
1274 1
Hevitra mandeha
tsial ( 03/01/2013 17:40)
ny asa soratra tsy misy fetra fa isika mpamaky no mandray ny hafatra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mpandalo
Nampiditra : tsial
Daty : 18/06/2010 05:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1854