Tsiky asolo sento (mpandalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vidin-dafo
Ny vongan-dranomaso,
Ka ny latsaka anio
Lafo vidy tadidio;
Koa manomboka eto
Soloy tsiky zany sento.

Raha toa ka izaho
No misedra toy izao,
Hosoloiko tsiky ny tomany
Eny na dia sarotra aza izany;
Tsy hataoko hita soritra ny fahoriako
Satria ho ela velona no faniriako.

Na mangidy tsy ho tanty,
Na mandoro ny ao anaty,
Na mibosesika manery,
Tsy maninona!ataoko an-tery
Ny fiovana vetivety;
Ataoko satria, heveriko ho mety..
--------
Rohy:
2225 1
Mpakafy: Iarisù
Hevitra mandeha
tsial ( 17/09/2009 08:03)
Rehefa namaky" Ny Ranomasoko " nosoratan'i Maeva74 dia io no voasoratry tanako
somary nampisy tsy fitoviam-pijery kely fotsiny saingy aingam-panahy eh.
Dia mamerina ny fisaorana an'i Maeva74.
Jereo koa io tononkalon'i Maeva74 io
maeva74 ( 17/09/2009 17:41)
Misaotra an'i Tsial i Maeva74 .
Kanto tokoa ny tononkalonao, samy manana ny fomba fijeriny tokoa ny tsirairay eo amin'ny fomba fanoratana sy ny fihetsem-po, hainao ny nanova ilay tomany ho lasa tsiky indray. Tamin'izaho nanoratra iny dia tena feno alahelo ilay fo ka nirotsaka ho azy ilay ranomaso namoto ilay tava, ka izay no nasehoko teo amin'ilay asa-soratro. Tsy fantaro na manaraka sy mamaky ilay tantaran'i "Rado ilay fitiavako fahiny "nosoratako ianao na tsia izay hita ao @ blaogin'i Mava74 fa hita ao koa ilay alahelon'i Rondro an'i Rado ilay vady malalany izay ela nikotrika tao am-pony nandritra ny taona maro, tsy nampoiziny fa lasa nivadika tsiky tokoa ilay ranomaso fahiny, ary na izy tenany ary gaga moa na izaho mpanoratra koa satria voaova ho tsiky ilay alahelo sy tomany fahiny , ny taona sy ny fotoana no nahasitrana azy.
Misaotra an'i Tsial
Maeva74
Mysento ( 17/09/2009 19:32)
Zany,tokoa.
fahamarinana ( 18/09/2009 10:57)
Lalina tokoa ry tsial ilay fivadihany ho Tononkalo feno fanantenana ,araka ilay dinika kely nifanaovana tao ambadika tao !Soa e,lafatra e!Samy manana ny Aingam-panahiny mistidika azy tokoa na tranga itovizana aza no niangany !Misaotra an'ise sy Maeva74 !
kiss ho anareo
Faha
tsial ( 18/09/2009 11:56)
Maeva74 efa namaky aho, ary tena latsaka anaty ny sento saingy voafehy aloha ny ranomaso, tena kanto ilay izy, misaotra anao nizara.

Dia misaotra an'i Fahamarinana nankafy, mankasitraka e
tsial ( 18/09/2009 15:00)
Maeva74: noheveriko ho fifandrifian-javatra, kinanjo tsapako ankehitriny fa ny aingam-panahy dia ahafahana manova ny ratsy ho tsara; misaotra anao aho nampatsiahy indray ny hakanton'ny haisoratra sy ny misitery entiny, ampy entina mamakivaky ny fiainana andavanandro mihitsy ireo rehetra nosoratanao dia mamporisika hatrany @ famoronana.

Kanto loatra indrindra ilay tantaran'i Rondro
maeva74 ( 19/09/2009 05:55)
Misaotra an'i Tsial sy ireo namana rehetra mpamaky sy mpanaraka ireo tantara sy tononkalo.
Mbola mikotrika i Maeva ka antenaina fa ho fohy tsy ho ela ilay tantara vaovao mbola tantaram-pitiavana ihany.
Maeva74
rhina ( 20/09/2009 09:48)
tena vidina lafo tokoa ny ranomaso e! indramiko ilay hiran'i poopy eto:

"
............
tsy ataoko fantatrao
ny ratra ampoko ao
sao ho araraotinao
hampijaliana ahy indray
.....................
"
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mpandalo
Nampiditra : tsial
Daty : 17/09/2009 07:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014