You are here: home > Vetso

Fa nahoana...? - mpandalo

Azo vakiana?

Fa nahoana no novaina vetivety
Ny fihetsikao nambabo zato foko?
Sao kosa nisy vitako tsy nety
Tsy niniako, nampiteraka toloko?

Fa nahona no tsy haboraka
Raha misy ventso manadala?
Sa malaina hiantoraka
Fa niova tiana sy malala?

Fa nahoana no kobonina tsy havoaka
Na zaraina
Ny tora-po te hitroatra?

Sa manindrona tsy tanty
Ny adin-tsaina
Ka manery anao hihafy?

Asa lahy . . . .  nahoana loatra?

Hevitra mandeha

fahamarinana (15/09/2009 13:58:56)

hihi ! Nahoana loatra tokoa !Mety natahotra ilay olona !Tsara e !Mahafinaritra mamaky ilay Tononkalonao !Voalaza daholo ilay ventso sy taraina ! :-)

rhina (17/09/2009 09:28:05)

satria mataoatra izy sao handratra ano ny fitsorany aminao ny ao ampony dia naleony ny fihetsika no novaina ....aingam-panahy tokoa e!

maeva74 (17/09/2009 17:47:28)

Mahasondriana ny mamaky azy,
Tsy tiako ho fantatrao izay ato am-poko ato
Tsy tiako ho lazaina anao sao mampiova anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : mpandalo

Nampiditra : tsial
Daty : 13/09/2009
Mpamangy : 1383
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Mifalia!
Aza variana
Any ianao
Mbola ilaina ve?
Tsy tantinao
Tsiky asolo sento
Angamba hoy aho