Aza variana - mpandalo
Azo vakiana?
Aza variana,
Mangoron-karena,
Amin'ity fandalovana fa mba mandiniha;
Ianao efa giana,
Sy mampahonena,
Vao hotsaroana fa nisy nania.
Mandalo miserana,
Sy mora lo,
Ny harena sy vola mandreraka anao;
Fa misy toerana,
Tsara kokoa,
Efa voahomana honenanao.
Ny olo-maditra,
Efa very fanahy,
Ka tsy mba handova ny mandrakizay;
No hipitrapitra,
Sy hangahiahy,
Fa tsy nety niova hatramin'izay.
Ovay malaky ary,
Fa ndrao hanenenana,
Ny fomba famindra, fa androny izao;
Aza diso miantsampy,
Manorom-ponenana,
Antanim-bahiny , fa sao very ao.
Sokajy :
Aingam-panahy, fananarana
Hevitra mandeha
tsial (17/06/2010 09:03:59)
Aingam-panahy entiko hananarana ilay olona iray izay.
Talboty (17/06/2010 17:11:35)
Bonne le tonokalo e !!!!. Merçi!!
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : mpandalo
Nampiditra : tsialDaty : 17/06/2010
Mpamangy : 902
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Mifalia!Any ianao
Mbola ilaina ve?
Tsy tantinao
Tsiky asolo sento
Angamba hoy aho
Fa nahoana...?