Henintsoa (Nantto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza? Iza tokoa no anaranao?
henintsoa,moa Henin-tsoa
tokoa ianao?
Heni-java-tsoa avy amin'iza
tokoa
sa fahafenoana nomena ihany
koa?


Tsia, tsy Heninka fa Henina
Tsy azo atao hoe manenina
Fa enina no zava-tsoa,
Nohariana hameno ahy koa

Enina manambara tsy fahafenoana,
Satria olombelona mikatsaka
fahafenoana,
Ny fenitra napetraka hotratrarina,
Ny kinasa rehetra dia ny marina

Na Henika soa, na Henin-tsoa
Iray ihany satria ny tanjona
hanao soa
Na manenika, na miisa Henina
Mifameno ireo tsy mba hafenina

Havoitra avy anaty ny fanaovantsoa
Ianao mantsy olombelona tokoa
Manandrata faneva avo tokoa,
Fa ny mahaolona dia lehibe tokoa

Manandrama maneho hetsika,
Atao amin'ny fo tsy hoe
misafelika
Mihareta ny toe-javatra miseho
Fa tsy mora ny fiaina'izy ireo

Asehoy ny tontolo,
Ny fahafahana manontolo,
Fa maro ny te-hisetra
Hamotika tsy misy fepetra

fantaro ny maha izy anao
Tandrovy sao sarona ianao
Mihazona fitondran-tena
Hialao ny fandranitan-tena
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1148 1
Mpakafy: nantto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nantto
Nampiditra : Nantto
Daty : 26/03/2009 10:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014