You are here: home > Vetso

Ny fanambadiana - Nirhy-Lanto

Azo vakiana?

Ny fanambadiana nekena
Dia zioga mifehy ny tena,
Kanefa tsy misy fandavana
Fa zioga rohizam-pitiavana.

Ny fanambadiana nekena
Tsy misy faneriterena,
Tsarovy fa tsy azo kotehina,
Ny hisy ny mafy hatrehina.

Ny vady tsy hafa satria
Fa tenan'ny tena mitia :
Fatorana tsy azo sarahina
Sy tokana tsy azo silahina.

         1955

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Nirhy-Lanto

Nampiditra : booboo
Daty : 01/07/2004
Mpamangy : 4776
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NY tena reny.
Ny fony
Ny foko
Resim-pitiavana
Ny kirin'ny resy
Riam-bato
Takalom-pitiavana
Ranonorana
Ny vehivavy