You are here: home > Vetso

Riam-bato - Nirhy-Lanto

Azo vakiana?

Raondraona no re any ho any,
Mahajemby ny fo fanimpanina !
Hay ka akon'ny riam-bato ihany
No manako any am-po toran-tany ?
Any ihany tsy hita hatazanina !

Rivodrivotra injay no mitsoka :
Safosafon'ny tavako haraka !
Hofa lamban'ny vola-misoka,
Sa fitsiky natao hanodoka ?
Fiononan'izay tafasaraka...

Sokajy : Alahelo

Mombamomba

Mpanoratra : Nirhy-Lanto

Nampiditra : booboo
Daty : 01/07/2004
Mpamangy : 1225
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NY tena reny.
Ny fony
Ny fanambadiana
Ny foko
Resim-pitiavana
Ny kirin'ny resy
Takalom-pitiavana
Ranonorana
Ny vehivavy