You are here: home > Vetso

Ny kirin'ny resy - Nirhy-Lanto

Azo vakiana?

Ny fahareseko ! ny Faharesena ....
Nampoizin-kanito ny kirin'ny tena,
Dia rary nitahy ny asa ikikirana :
Tsy boka herintaona izay te hisahirana !

Fa nisy nandresy, kanefa dia resy
Dia tsontsa nitady ny soa an-kisesy ;
Dia mbola mitoetra ho anatra marina
Ny kirin'ny resy tsy maintsy tafarina !

Nafafa ny vala, ny sompitra foana,
Kanefa namaka ny herim-pinoana :
Ny eson-tsakaiza, ny latsan'ny havana
No angady niasana ny tany ho mavana !

          24 mars 1955

Sokajy : fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : Nirhy-Lanto

Nampiditra : booboo
Daty : 01/07/2004
Mpamangy : 1464
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NY tena reny.
Ny fony
Ny fanambadiana
Ny foko
Resim-pitiavana
Riam-bato
Takalom-pitiavana
Ranonorana
Ny vehivavy