You are here: home > Vetso

Resim-pitiavana - Nirhy-Lanto

Azo vakiana?

Ny fo mifanaiky hikambana
Ho rafitra tokana irery,
Imason'ny fefy manambana :
Dia Hery tsy resin'ny hery !

Ny resy ka resim-pitiavana
Dia resy tsy mana-tsahala
Mandresy ny didim-pitiavana
Sy toetra tsy tian'Imalala !

Hiaraka an-dalan-kizorana,
Hizara ny tsiky satria
Na erika mantsy na orana,
Iray ny sarotrom-pitia !

        17.03.55

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Nirhy-Lanto

Nampiditra : booboo
Daty : 01/07/2004
Mpamangy : 3047
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NY tena reny.
Ny fony
Ny fanambadiana
Ny foko
Ny kirin'ny resy
Riam-bato
Takalom-pitiavana
Ranonorana
Ny vehivavy