You are here: home > Vetso

Takalom-pitiavana - Nirhy-Lanto

Azo vakiana?

Fitiavana ihany, Rahavana !
No hany takalom-pitiavana ;
Ny zavatra ivelan'izany
Dia lainga sy fitaka ihany.

Ny vola natsanga-ko vahatra,
Marefo mitovy amin-jahatra ;
Tsy manda-pitiavana ireny
Na lambolamboin'ny fiteny !

Fitiavana niara-narendrika
No manda mahery sy mendrika,
Ka manda no sady harena
Fa rado nampia-bolamena
      
            25.03. 55

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Nirhy-Lanto

Nampiditra : booboo
Daty : 01/07/2004
Mpamangy : 4159
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NY tena reny.
Ny fony
Ny fanambadiana
Ny foko
Resim-pitiavana
Ny kirin'ny resy
Riam-bato
Ranonorana
Ny vehivavy