You are here: home > Vetso

Ny fony - Nirhy-Lanto

Azo vakiana?

Ny fony no tompon'ny foko
Izay tokana tsy azo sasahina,
Mihidy, voahombo, voaloko,
Ka tsy azon'ny hafa fitahina.

Fa รด ! vona baibona mafy,
Ny hombon'ny dina, Rahavako !
Na inona bala hifafy,
Hajaiko ny dinam-pitiavako.

Ny lango, ny bika, ny vola,
Dia satriko kosa ho tsorina,
Fa bala tsy mety hahatola
Ny manda-pitia tsara orina.
          1949
in Rindrambolana

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Nirhy-Lanto

Nampiditra : booboo
Daty : 01/07/2004
Mpamangy : 1604
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NY tena reny.
Ny fanambadiana
Ny foko
Resim-pitiavana
Ny kirin'ny resy
Riam-bato
Takalom-pitiavana
Ranonorana
Ny vehivavy