IANAO NO LOHATENY - Noëlson L. ANDRIANIAINA
Azo vakiana?
Ianao no lohateny
Izay nosafidiako
Sy hanolorako teny
Hoe ianao tena tiako
.
Ianao no lohateny
Ny tononkalo nosoratako
Ianao no voatendry,
Ho hiditra ao anatiko
.
Ny anaranao no lohateny
Voatenin'ny vavako
Izay nampitady ny eny
Ny foko sy ny fitiavako
.
Ianao no lohateny
Nofisako isaky ny alina
'lay izaho manirery
Sy feo mangina amin'ny alina
.
Ny endrikao no lohateny
Tsy miala foanafoana
Ny anaranao ny voateny
Tsy manan_kietoana
Mombamomba
Mpanoratra : Noëlson L. ANDRIANIAINA

Nampiditra : Noëlson ANDRIANIAINA
Daty : 07/06/2016
Mpamangy : 1048
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RafahafatesanaI NENY
HAFATRA
TANINDRAZAKO IANAO
MANDEHANA
TENA MALAGASY
INY ALINA INY
TOMANY
MIHOSIN_DRA
VETSOVETSO