You are here: home > Vetso

EMBONA - Noëlson L. ANDRIANIAINA

Azo vakiana?

Ny andro tontoloko
Toa nijaly ny foko
Any aminao foana ny saiko
Ianao no fanafody ny aiko
.
Embona foana hatrany
No iainako isan'andro
Toa mahatsiaro anao any
Mandritra ny tontolo andro
.
Ny amin'ny alina indray
Tsy nahita tory
Te hanantona hifandray
Izay mahatsiaro ory
.
Ny feo mangina amin'ny alina
No nampisento ahy tany
Amin'ny andro mamanalina
No manembona anao hatrany

Sokajy : embona, Fitiavana