You are here: home > Vetso

NY TSIKY - Noëlson L. ANDRIANIAINA

Azo vakiana?

Ny vokatry ny tsikintsika
Maha mendrika ny bika
Manome ny hafaliana
Manala ny hakiviana
.
Mahavelom_panantenana
Sy mitondra famonjena
Manary ny hakamoana
Fa mamelombelona foana
.
Ny tsiky koa anie
Tsara ho an'ny fahasalamana e
Mampilefa ny aretina misy
Ianao izay mitsikitsiky
.
Dia ampiaraho hehy kely
Miaraka an'ilay tsiky
Dia aza takonana velively
Fa avelao ihany hitsikitsiky

Sokajy : Fifaliana, Fitsikiana