TSY NAHY - Noëlson L. ANDRIANIAINA
Azo vakiana?
Ny masonao mibanjina ahy
No ahafantarako fa tia ihany
Ny fihetsikao indraindray
No nahataitra ahy tamin'izay
.
Ny endrika amam_bika
No nampitambatra ny fontsika
Ny fijerinao tena mahafinaritra
No nandinihako sy nojereko maharitra
.
Ilay fitiavana izay natolotra
Vao maika nitombo hoatr'izany
Izay efa tsara fototra
Tsy misy afa_tsy ianao ihany
.
Ny fihaonako taminao
No nampibaradaka ahy
Tsy teniteny ny hoe tianao
Fa tena misy fa tsy nahy
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Noëlson L. ANDRIANIAINA

Nampiditra : Noëlson ANDRIANIAINA
Daty : 08/06/2016
Mpamangy : 465
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RafahafatesanaI NENY
HAFATRA
TANINDRAZAKO IANAO
MANDEHANA
TENA MALAGASY
INY ALINA INY
TOMANY
MIHOSIN_DRA
VETSOVETSO