ANKAMATATRA NO ATAOKO (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ankamatatra no ataoko,

Ankamatatra no ataoko raha toa ka fantatrao,
Iza ary ilay vehivavy, mijoro foana tsy mandao ?
Manampy foana na mety, na tsy mety ny atao,
Tsy mahatombona isanandro, manontany vaovao!

Ilay namoky zavatsoa, vehivavy tena tso-po,
Lavitra ny rendrarendra, niaritra ny mafy koa,
Tsy misalasala miteny raha misy mahasoa,
Mitsangana hatrany na dia hoe marary loha.

Manome ny anjarany izy raha mahita anao noana,
Miasa, miantsena, mahandro, mampirina foana,
Lavitry ny fialantsasatra noho ireo adidy manoloana,
Tsy lany andro mihitsy amin'ny hoe... zavapoana !

Raha ny kalitaony, tsy ho voatanisa eto izany,
Raha afapo ianareo dia ambarako avy hatrany,
Tsy iza akory ilay vehivavy fa ilay reniko ihany.
Tiako loatra, reny tokana tsy atakaloko eto antany !

Mankasitra ry mama noho ny vitanao rehetra,
Nefa ianao dia tsy manery na manao amboletra,
valibabena amin'izy ireny, tena mendrika ilay toetra,
Ny zanakao ho sambatra, 'zay ihany no tarigetra.

Raha sendra tsy ampy mama ny ao anaty vilany,
Tsy terena, fa zaraiko aminao, raha misy aho androany,
Mivavaka aho ny hanananao, fahasalamana hatrany,
Hiriaria amin' ireo zafikely izany mamanay izany !

Nosy Malala,
Mey 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Reny
640 1
Mpakafy: TononkaloNM
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1966