Dada Mankasitraka mpanampy (Nosy Malala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada mankasitraka mpanampy, Tsy asa ratsy kay ny manary fako,
Ilay asa vaovao, nataoko tato ho ato.
Tsaroina ireo fahiny, nataon'ny mpanampy,
Aty ny mpivady no miara miatsampy.
Rehefa avy miasa dia mitaiza zaza,
Samy manahy lamba na efa reraka aza.
Avy eo manaramaso ny fianaran'ny ankizy,
Ny laoka koa jerena, ndrao may izato izy.
Marina fa ny lamasinina eo ihany,
Manamaivana fanasana vilia sy vilany,
F'ilay asa ato antrano toa tsy mety vita izany,
Ary tsy hoe akory, asam-behivavy irery ihany.
Nofinofy sisa ilay fatao fahiny,
Mamaky gazety, miandry vahiny.
Fiainana ilay izy, fa tsy hoe be fika,
Ny vola no ampidirina dia samy vita.
Mankasitraka tanteraka ireo mpanampy,
Misaotra indrindra, ny Tompo anie hanampy.
Tsy mora ny asa iantsorohanareo,
Tsy ho adino velively, misaotra ry zareo !
Nosy Malala
Jolay 2021
--------
Rohy: