FANOMEZANA (Nosy Malala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fanomezana, Mivezivezy, mitady fanomezana,
Atolotra, ho an'ity taolatehezana.
Miasa saina, very hevitra mihitsy,
Ny entimanana moa, tsy dia misy.
Ny zava-bitany sy ny sahaza azy aloha,
Na volamena aza tsy mendrika atao kadoa.
Inona ary no hovidiana sy ho karakaraina ?
Marina moa tsy tena maha lasa saina !
Hitandramatoa fa niasa saina izato izy,
Ka nanontaniany hoe "maninona no kivy ?
Efa misy vary sy laoka hohanina eo,
Ny fitiavanao ahy no itodiho sy jereo" .
Izy aloha matetika fa tsy indraindray,
Aleony ny azy manome toy izay hoe mandray.
Ka raha resaka fanomezana ihany,
Tsy izany mihitsy, no ataony hampitomany.
Tapa-kevitra aho dia nolazaiko taminy,
Fa nindram-bola dia nosokafako ny tanany.
Misaotra akia hoy izy, " avereno izao dia izao" ,
Misy vary sy kabaro, efa nandrahoany tao.
Solompanomezana... noavaoziko ny voady,
Naborako antsoratra indray ny fitiavako azy.
Hafaliana moa ny azy, namaky ilay taratasy,
Fanomezana avy ao am-po, tsara kay fa tsy ratsy....
Nosy Malala
Septambra 2021
--------
Rohy:
Sokajy :
Tsingerin-taona - Fitiavana - Fifaliana - Fiaraha-monina - Fianakaviana - fiainana - fananarana - Fahantrana - Eritreritra mandalo - Aingam-panahy