You are here: home > Vetso

Fitia tsy mety ritra - Nosy Malala

Azo vakiana?


Fitia tsy mety ritra,

Fitia tsy mety ritra,
Vao maika mibaliaka.
Fitia tsy mety lany,
Omeko anao hatrany.

Ireo taona maro,
Tsaroina mifangaro,
Nanamafy ny  tady,
Mamatotra ho  mpivady.

Lasa ny vinany...
Fahiny tamin'izany...
Sahirana ery, sa tsy izany akia,
Ny hamboraka fitia !

Averiko angatahana eto,
Miala tsiny aho raha feno sento,
Manaiky ve izany havako izany,
Hanohy dia, hiaraka  hatrany ?

Na ho.... arivo taona,
Ianao dia ho Tiako foana.
Lay fitia saika nahalasa adala,
Miboiboika, tsy mety miala.
.
Fitia tsy mety miofo,
Voaravaka solofo.....
Fitia tsy mety ritra,
Fitia ny fiainantsika.

Nosy Malala
13 Febroary 2022