Hanam-bady - Nosy Malala
Azo vakiana?
Hanam-bady,
Tapakevitra hanam-bady,
Hisafidy hanao voady.
Handresy hatrany ny adiady,
Ka hibanjina ny ho avy.
Fanekena sarobidy,
Vonona hiatrika adidy.
Ny fo sy saina efa nifidy,
Fitiavana tsy voavidy.
Safidy, lahatra sy anjara.
Hifampikolokolo, hamela tantara.
Hiara hamboatra tontolo tsara,
Hikolokolo'reo zanaka amampara.
Hifanohana ny mpiaradia,
Mandrapikipin' ity maso ity.
Hiara hidola sy hiriaria,
Fitia haharitra ho doria.
Nosy Malala
April 2022
Sokajy :
Aingam-panahy, Eritreritra mandalo, fiainana, Fianakaviana, Fiaraha-monina, Fifaliana, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Nosy Malala

Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 14/05/2022
Mpamangy : 300
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Resaka politikaMirotsaka ny orana
Bonheur contagieux
Magnifique mer
Lera,
Mandrosoa avy hatrany,
Comme lorsque j'ai été enfant,
Mi aime a ou
Tu avances sans médire,
Mpanoratra sy ny tononkalony