Ilay sivanjato very, (Nosy Malala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay sivanjato ( euros) very,Satrin’i "Dylan" hono ilay sivanjato "euro",
Nanaovana asa soa toy izay lasa "zero"
Nihevitra izy mantsy, fa tsy mba nisy,
Nihantra, nividy tapakila ho "andRalisy".
"Soa valihy" moa dia mbola nanamafy,
Ny tao antsainy hono, dia saika hanampy,
Maro loatra tampoka ireo namaly antso,
Ka lasa niterak’olana, disadisa, asoaso.
Tsy hidirina lalina f’aleo ny tribonaly,
No hitsara fa isika toa zatra mifamaly.
Naleo ilay vola hono nanaovana asa soa,
Toy izay very fotsiny, noho ny kitoatoa.
Raha ontsa azy ny fo, dia manaova soa,
Faniriny izany ny hitsinjo ny hafa koa.
Marimaritra iraisana, samy miezaka kely.
Manao asa soa amin’ity andro Noely.
Efa aman’arivony ny mpanohana azy,
Ka manampy ny osa, asa firy ariary avy ?
Eran’ny Madagasikara amin’izato Noely,
Dia ho lasa avo heny, ilay sivanjato very.
Nosy Malala
Desambra 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
Hevitra mandeha
TononkaloNM
(
17/12/2025 09:45)
Misy afaka manaza ve ny fepetra misy raha toa ka manonona anran’olona amin’ny tononkalo azafady.
