INDRISY... - Nosy Malala
Azo vakiana?
Indrisy,
Inay aho, raha afaka niteny,
Mba nitalaho tamin'ilay Reny,
Raha vao nanomboka nitsiry....
Ny hevitra hoe'zaho tsy iriny.
Eny e ! Sarotra ny mitsara,
Reny foana izy, Izaho no ratsy fiafara.
Tsy afaka niady, nanaiky ny safidy,
Tsy namela ahy ho isan'ny ankizy.
Fanirina mantsy ny mba ho ary nofo,
Indrisy fa ny aiko dia nalaky voafofo.
Noho ny ankaso dia tapitra avy hatrany,
Ilay nofinofy, saika hiaina eto an-tany...
Nosy Malala
Septambra 2021
Sokajy :
Aingam-panahy, Alahelo, embona, Eritreritra mandalo, Fahafatesana, fananarana, fanantenana, fiainana, Fianakaviana
Mombamomba
Mpanoratra : Nosy Malala

Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 23/09/2021
Mpamangy : 313
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ZarainyHanam-bady
Misy lamozika
Iza ?
"MP"
Fetin'ny vehivavy
Fitia tsy mety ritra
Ny alahady
Iarivo tondradrano,
Ny Vavaka natao