Iraikambienimpolo taona (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iraikambienimpolo taona,

Fantako fa ireo mpitolona namoy aina, (dia)
naniry fa ny rany latsaka tsy ho very maina.
Nitolona izy ireo ho an'ny Madagasikara,
Mba hifaly sy hiaina ny taranaka amam-para.

Iraikambienimpolo taona izay,
No niandrandrana fandrosoana ry lahy !
Asa angaha ny Fahamarinan'ny tsirairay,
No dingana masina hahatratrarana izay ?

Tsy kivy fa mbola manantena,
Fantatra fa betsaka ireo tia firenena,
Hiaraka hiezaka ho an'ny Tanindrazana,
Izay miray hina dia ho lasa mazana.

Eh ! tratran'ny fety ianao ry fireneko,
Ampiriniko aloha ny fo feno sento.
Ankafizako izato Fahaleovantena,
Hifaly aho anio fa tsy hanao mampahonena !

Ô rafotsy a ! Ndao hiaraka kely ho any antsena,
Ndrao mahazo akoho afangaro amin'ny hena,
Mila alamina tsara koa ny fandaharana,
Hiijerena afo manga sy matso eny Befelatanana.

Dray ! adinoko ny arendrina sy ny labozia...
Mba omeo afokasoka handrehetako azy ity.
Ô rankizy a ! ndeha ampidiro ny akanjo mafana,
Hiara hanao arendrina amin'ny mpiray tanana.

Nosy Malala
23 jona 2021
--------
Rohy:
547 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105