You are here: home > Vetso

Lafatra tsy misy kianina, - Nosy Malala

Azo vakiana?


Lafatra tsy misy kianina,

Ilay tsiky kely omaly,
Indray nipika monja,
Nanafak' ilay jali
N'ny fo voafonja.

Fijery toa mandinika,
Mitaratra fanahy,
Kanefa tsy manilika,
Fa toa miantso ahy.

Ny hatsaran-tarehy,
Lafatra tsy misy kianina,
Jereo kely ange,
Anjely tena matihanina.

Izato fahavononana,
Fizarana zava-tsoa,
Lavitra fandrahonana,
Mpifankatia anankiroa.

Endrimpiaraha-monina,
Manarapenitra aok'izany...
Saingy ireto notononina,
Dokambarotra ihany...

Nosy Malala
Novambra 2022