Letchi (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Letchi aty,

Fa nahoana akia,
Rehefa vokatra ny letchi.
Dia manta kely ery...
No mba hitanay aty ?

          Izany ve akia dia mampikolay ?
          Tongava fotsiny aty aminay.
          Aty ndry mahita tena milay,
          Tsy dia lafo loatra ny garaba iray.

Mba fanontaniana anie ny ahy,
Mety hampidimbola  ho an'ireo tantsaha.
Betsaka mantsy no tia letchi,
Ny olona maro mipetraka aty.

           Tsy misy hidirako akia ny amin'izany,
           Za mbola hitady ny ho hanina androany.
           Asa angamba indray andro any,
           Ny letchi tadiavindry ho tonga any ihany ?

Eny ary e ! Azoko ny tindry tenenina,
Iaraha mahita fa tsy zavatra afenina.
Andefaso raha mba misy olom-patatra ihany,
Satria tsy manam-paharoa ny letchi fahita any.

     Raha misy ny lalana, ny vola ampelan-tanana.
     Dia mety hevitra tsara ihany, ny fanondranana.
     Avela ngeza vao otazana dia tsy alefa sambo.
     Ny mpivarotra sy  mpihinana samy ho ravo....
         
Nosy Malala
Jolay 2021
--------
Rohy:
479 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148