Matoa (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matoa,

Matoa potika ny Hasina iray,
Voazivaziva, atao antsonjay,
Tsy noho ireo manatanteraka izany...
Ny tompony no variana any ho any..

Matoa manjaka ny tsy fahamarinana,
Ny marina indray no atao dika vilana,
Tsy noho ireo lainga izay namahanana,
Fa'reo fefy no toa baranahana.

Matoa betsaka ireo fahavalo,
Tsy noho ireo olona lasa dahalo,
Fa ireo matanjaka, tsy mba niambina,
Ny fomba ratsy no natao soa Toavina.

Matoa misy ny ambonin'ny lalàna,
Dia tsy noho'reo zatra manao adalàna,
Fa ny tompon'andraikitra manampahaizana,
Tsy miteny nefa misy tokony ho faizina.

Matoa manjaka, ireo tsy rariny,
Ny lalàna misy lasa saritsariny,
Dia, tsy avy amin' ireo mpametsy,
Fa ny olokendry no manaiky resy.

Matoa ny Firenena mikorosofahana,
Tsy ilay Nahary no tsy Tia Fahafahana,
Fa nohon'ny tsy fandraisana andraikitra.
Ny zo sy ny marina efa miantso vonjy f'isika tsy taitra..

Nosy Malala
Jona 2023

Aingampanahy niainga avy tamin'ny hoe "
Le monde ne sera pas détruit par ceux qui font le mal, mais par ceux qui les regardent sans rien faire. Albert Einstein ·
--------
Lien:
391 1
Fans: Ralovarj
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157