Miara mihirahira, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miara mihirahira,

Indro henoko tampoka Ilay hira fahiny,
Niaraha niantsa rehefa tafaraka iny,
Niaraha nitomany rehefa nifandao,
Teo anatrehan'izao tontolo izao .

Tsaroina ilay fitiavana nisara toerana,
Ny finday moa tsy mbola nianteherana.
Ilay Fitia niakindoha, namparary vavony,
Rehefa niantsa ilay hira dia somary tony.

Heno ilay hira, taona maro aty aoriana ,
Mampisentosento, tsaroina ireo dina.
"Taratasy alefaso", "Losogna agnao".
Gasikara indray no iandrasana vaovao.

Lasa anie aho, any izay ianao,
Ry Gasikara niavina, vetso ampoko ao.
F'ilay olo-tiako efa eto akaikiko izao,
Mira mihira, manimanina anao.

Nosy Malala
Desambra 2023
--------
Rohy:
173 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154