Miherim-pitia ? (Nosy Malala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miherim-pitia ?Niasa mafy izy, dia nividy poketra,
Satriny hizara amin’olondrehetra,
Saingy ilay izy toa tsy ampy isa,
Mety hisy alahelo sy hitsiriritra.
Nantsoiny mitokana ilay iray nofinidiny, tanatin’ny maro, iray mba safidiny.
"Avy amin’ny fo fa zaho tsy dia manana".
Hoy izy nanolotra ny kely teny antanana.
Hay tanteraka tampoka ilay efa nahiany,
" Zahay adino" , toa feo manome tsiny.
Niezaka ihany mba hoe tsy hisy ahita,
Kanjo nivara mena sy nipitrapitra.
"Andray " hoy ilay namana iray,
Izay tiny kosa io, fa maninona kay,
Amin’io ny anareo toa tsy sangisangy
Fa tena malahelo, mandrangitra azy.
"Rehefa sahirana izy, zahay no antsoiny,
Avy eo olonkafa no omeny ny fony...
Mila mitsotra fotsiny rehefa tsy tia,
Manao fila-tsy mahita, mihasara-velatsihy."
"Safidiny io k’izay tiny kosa no atao,
Mahatsiaro tsy tiana, andray ! izato ianao.
Mitady fitiavana toy ireo ankizy,
Malaky midongy sy manao kirizy".
Tsara ny manome noho ny mandray,
Eto ilay manolotra toa sahirana indray,
Maro ihany isika no tsy ampy fitia,
Malahelo lava dia hoe miherim-pitia.
Nosy Malala
Desambra 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Embona - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
