Misaotra Sera sera ! (Nosy Malala)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra sera sera,

Misaotra manome Tanana,
Manome fahafahana,
Hizarana soratanana,
Amin'ny ankalalahana.

Ny mpamaky koa,
Toa maontina avokoa
Mifanaja zo,
... Mendrika tokoa.

Misaotra sera sera,
Ho ela velona sy ho ela,
Ny fiarahantsika eto,
Arahankehy sy ny sento.

Rado, Dox na poety vao manomboka,
Manan-toerana eto, toa tani-mboaloboka.
Enga anie ka Samy ho tonga amin'ny izay iriny,
Reo mpanandratra ny teny Malagasy ankehitriny.

NOSY Malala
Jona 2021
--------
Rohy:
671 0
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 06/08/2021 08:41)
Ohhhhhh tononkaloko nisy feo voalohany ity, mankasitraka indrindra e!

Kanto loatra ilay feon'ny mpamaky, Ka ilay tononkalo izay nihafiafy, raha nampin'ilay feo tsy manampaharoa, Dia tonga rotsirotsy sy nambabo izato fo :)
ikalamako ( 11/08/2021 07:43)
Am-pitiavana foana e ! Ianareo no isaorana mamelo-maso ny serasera amin'ny talentanareo. Mandrosoa hasina.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153