Samy Filoha, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Samy Filoha,

Maro ireo Filoha izay mahavita tokoa,
Mikaroka vola hanaovana asa soa,
Ny malalatanana manampy azy koa,
Sady tsy fanjonoana toy ny etsy sy eroa.
Mila mangarahara, mazava avokoa,
Ny tatitra ara-bola, tsy asan'olondroa...
Ny mpiara miasa , manana ambopo...
Miara miady ho amin'ny fananan-jo.
Tsy Iza izy ireo fa filoham-pikambanana,
Mitsinjo sy miahy an'ireo zay tsy manana.

Misy koa Filoha tena mahatoky tena,
Isan'ny tanjony, ny fiakaran'ny toekarena,
Ekipa Tsara traikefa, mendrika,tsy terena,
Tsy mila dera, vokatra hita no ifampijerena.
Arovany mafy ny Fiandrianampirenena,
Izay manao adalàna, nofy ny hoe, ho ekena,
Veloma avy hatrany fa tsisy hoe namako ialahy.
Ny fandraisana fepetra, ilaina matotra sy sahy.
Voatsinjara mazava ireo fahefana.
Tsy olona iray no miseho tompotanàna.

Ny hafa indray tsy mahafantatra ny tena andraikiny,
Tia voninahitra, faly amin'ny fianjakany,
Reo manodidina, mpanatanteraka ny baikony,
Hatramin'ny mpiaro lalàna, toa voabaikony...
Mahazo tombotsoa ireo olona akaikiny,
Na potika ny Firenena toa tsisy fiatraikany,
Mety misy ihany fa tsy tena traingony...
Mahavariana ny mihaino ny laingany.
Izy ireo angamba Ilay diso safidy,
Faly mahazo seza, mampitombo kirizy...

Tonga daholo avy eo ny mpanararaotra,
Moa ny vahoaka ? sarotra ny hitroatra.
Mety hijoro ihany rehefa tena tafahoatra,
Atao hoe mbola tsy feno aloha ny kapoaka.
Ny siny atsakana efa misy laodaoka,
Ny fandriapahalemana mampatahotr' hivoaka ,
Ny sarampianarana maha-voaroaka,
Mihavery ireo zo, aiza anefa no hitsoaka ?
Masina ny Firenena , tsy entina kitoatoa.
Hafatra kely ho an'izay maniry ho Filoha,
Raha toa ka tsy vita ny mitondra Firenena,
Ny filohampikambanana mety zakan'ny tsena,
Ekena ny fanomezana zarina eny an-tsena.
.


Nosy Malala
Desambra 2023
--------
Rohy:
250 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146