Sao tara loatra, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sao tara loatra,

Sao tara loatra rahavako izany,
'reto vahoaka anie k'efa tena tomany.
Miharihary reo fanaparam-pahefana,
Misy ambony lalàna, misy difo-pahatrana.

Sao tara loatra vao ho tonga saina,
Reo manapahaizana izay antenaina,
Ho hery fiarovan'ity Firenena,
Efa may ny tanety, mbola mihenahena !

Sao tara loatra vao hahita ity ankaso,
Ka hoe diso lalana, ho latsa-dranomaso,
Anio ianao ilainy dia reseny lahatra,
Rahampitso enao dakainy, eo vao ho vahatra.

Sao tara loatra vao hanefa ny adidy,
Hiady, hijoro ho an'ny ho avin'ny ankizy.
Mpirafy ny kolikoly sy ny fandrosoana,
Iray amin'ireo ihany no azo tompoina.

Ianao ve ry namako isan'ireo tsy tara?
Sahy mijoro, mahasahy manambara,
F'ireo fanararaotana sy bodingerina,
Dia loza mitatao, tsy azo leferina !

Nosy Malala
Novambra 2023
--------
Rohy:
283 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152