Tahirin'Tononkalo (Nosy Malala)

Nantsain'i jantina
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tahirin'Tononkalo,

Raha namadibadika,
Nitsidika, ireo tahiry,
Tany ambadikin'ny lavitra,
Nandalo kely dia nivily.

Hay ve k'efa notoriana,
'reo hevi-maro izay lazaiko,
Fotoana maro aty aorina,
Mbola indro andrandraiko !

Eny nisy lohateny,
Tsisy valaka, nitovy.
Ny tao ampo no niteny.
Fanahy niainga ô tsarovy.

Any aorina any koa,
Hisy mpanoratra hafa indray,
Mbola hitohy hampietsipo,
Avy amin'ny hevitra iray.

Ireo teny izay nafafy,
Velona miriaria.
Ary tsy mataho-maty,
Anjara ho an'ireo izay tia.

Inona ary moa izany ,
Ireo tahirin-tononkalo ?
Lovasoa tsy mety lany,
Tsidio ihany raha mandalo.

Nosy Malala
Martsa 2023
--------
Rohy:
467 0
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 29/03/2023 19:46)
Misaotra betsaka an'i Njatiana. Mahafinaritra foana ny tononkalo misy miantsa .
Mahay miantsa be koa enao
Mankasitra indrindra tompoko.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0155