Tehaka mirefodrefotra (Nosy Malala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tehaka mirefodrefotra,Tehaka fotsiny aloha,
Mankasitra sy mankato,
Reo mpitondra mahafatrapo,
Lolohavina antampon'ny loha.
Tehaka manarak'indray,
Manohana mandrakizay,
Ny ho avy aloha mbola tsy hay,
Ny seza no ataonay mamay.
Tehaka fampisehoana,
Miseho ho hitan'ny ona,
Matanjaka, tsisy mandona,
Amin'ny tany mora anjonoana.
Tehaka fotsiny aloha,
Mamalifaly ny fò,
Tsy asiana fiasandoha,
Ny Firenena amin'io tena voa...
Ny hafa manao soa etsy sy eroa
Mampiasa saina, mamaky rondoha.
Tsy miandry tehaka ho valisoa,
Reo marefo mahazo tombotsoa.
Ka tehaka mirefodrefotra,
Ho an'ireo tsy milefitra,
Mijoro sy tsara eritreritra,
Hialana amin'ny tany efitra..
Nosy Malala,
Jolay 2023
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Fananarana - Fiaraha-monina - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana